LANITRA TOKANA (Sunny)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lanitra tokana feno fitiavana
tsy manavangavana,
maro mpaniry tsy misy mpahita,
no hiainantsika
ry mamiko indrindra tsy foiko atakalo


Lanitra tokana feno hasambarana
tsy azo hilaharan'
olona ratsy, maloto fanahy,
no omeko an'lahy
ry tsara tarehiko tokana ihany
ambonin'ny tany!


Lanitra tokana mampifandray
ny fo tafaray
azo katsahina ampifaliana
no indro ry tiana
honenantsika mandrakizay
eo anilan' ny Ray!


Nylanitra tokan'ny tena fitiavana
tsy manavangavana
fa feno hasambarana isa-minitra
tsy mba mitritra,
mamatotra hatrany ny dinam-pitia
ho doridoria!
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/sunny/lanitra-tokana
Sokajy : Fitiavana
1130 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : voniala
Daty : 31/05/2008 16:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.5032