MANIRY ANAO ( ho an'i endrika01) - Sunny
Azo vakiana?
Maniry anao ny foko
maniry anao ho namana
ho namanatsy foiko
tsy foiko ka tantana!!!
mitady anao mangina
mitady ny endrikao
ny endrikao 'lay tiana
'lay tiana tsy hankaloho!
mikalo anao hatrany
mikalo hira vao
hira vao tsy lany
tsy lany am-bavako ao!
ô! sarotrarotra ny dia
ny dia mety ahitako anao
ahitako anao 'lay mpankafy
mpankafy 'lay namam-baovao
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
endrika01 (15/06/2008 15:55:02)
hein,misaotra e,tena afa-po
namaky ny vetsovetson'i Voniala,mahafa-po tokoa.misaotra e
hery (30/07/2009 11:10:28)
Mombamomba
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : vonialaDaty : 12/06/2008
Mpamangy : 1156
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Tsemboka fitiaRegard croisé
Ny vilia bakoliko
Mon cœur, ton abri
malala a !
Diso hevitra
Dada malala
MANIRY ANAO
mila anao ho nanamana
NOFIKO AZA HONO