You are here: home > Vetso

MIOVA LOKO - Sunny

Azo vakiana?

Malemy avy hatrany ny heriko anaty
vao sendra ny tsiky lasa tsy nahy
        avy eny amin'lahy
ry voromailalako mahafatifaty
mpandrodana nofo...Mpibaiko fanahy
        kanefa tsy ho ahy!



Tsy haiko fehezina ny hiran'ny foko
vao tojo ny kalo imolotrao
        manify mena;
fa hay hira monja dia mampiova loko
ny hery rehetra anatiko ao...
        toa fanekena

Sokajy : Fitiavana