NOFIKO AZA HONO - Sunny
Azo vakiana?
mba nofiko aza,hono,
'lay izaho minono
hasambarana
eo an-tratranao.
mba nofiko eny mantsy
'lay ianao tsy hahatanty
ny ali-mangatsiaka
sy ny hirifiry hoentiny.
De nofiko tokoa
'lay isika roa
nirevy am-pitolomana
tsy nisy fitsaharana.
ô! nofiko any izany
'lay ianao tomany
niararaka hatsembohana
noho ny sangitsika
mba nofiko eny kanjo
'lay ianao miala akanjo
toa sempotry ny sento
noho ny safosafo
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
endrika01 (21/06/2009 10:38:25)
rivaando (13/01/2010 11:17:58)
sangy mahery mits anie zany nofinareo zany e!!! mlay ka
endrika01 (17/01/2010 10:00:28)
hita tokoa wa,ao anaty nofy ngeh azo atao doly zay tin'ny eritreritra atao eh!
hjravs (23/04/2015 08:48:04)
Efa hoe mba ezaho fantarina ihany ho'a ny hevitr'ireny nofy ireny...
Mombamomba
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : vonialaDaty : 11/06/2009
Mpamangy : 1431
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tsemboka fitiaRegard croisé
Ny vilia bakoliko
Mon cœur, ton abri
malala a !
Diso hevitra
Dada malala
MANIRY ANAO
mila anao ho nanamana
AZAFADY LEITSY