NY ETO - Sunny
Azo vakiana?
Ny eto aloha hatramin'izao
mbola tianao hatrany,
ary mbola miandry anao
any an-tany lavitra any
Ihany koa hiaky foana
fa mahery ny fitia;
tsy maintsy hisy ny fotoana
hiverenanao aty!
Ny eto aloha fantatrao
mbola mitana hatrany
ny dina toky 'zay natao
teto imason'ito tany
Ihany koa tena mino
fa toraky ny eto ny any:
ianao tsy hanadino
ireo velirano mamy
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : vonialaDaty : 03/03/2008
Mpamangy : 1015
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tsemboka fitiaRegard croisé
Ny vilia bakoliko
Mon cœur, ton abri
malala a !
Diso hevitra
Dada malala
MANIRY ANAO
mila anao ho nanamana
NOFIKO AZA HONO