Very Anjara (Tahina Fabien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inty ventso,zany ventso
Zany foana no ao an-tsaina
Sy mba tenim-pitaraina
Hitadiavako anao
.
Mitaraina,Mitaraina
Toa miferinaina
Mitoloko sy mangaina
Ka mahatsiaro ho afak'aina
.
Aiza ianao,hoy aho,aiza ianao
Ilay malalako tsy foiko
Toa tsy mety adinoiko
Dia hiraiko sy Kaloiko
.
Manina aho,eny manina
Mahatsiaro tena very
Lavo foana tsy tafarina
Fa very anjara,very anao ry Neny
.
Dia misento ka misento
An'ireo tsiaro tsy mety maty
Satria ianao toa zary kanto
No tiko amihana ah Hotinafy
.
Very anjara mantsy aho
Very tena Very!!!
Fa ianao ilay nantenaina aza
Nahafoy ah,ho MANIRERY
--------
Rohy:
1943 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102