AKON'NY TARAM-PITIAVANY (Tara-masoandro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatrany amin'ny faka-lalin'ny fisiako,
No handrenesako ilay feo, mikalo maivana ny hiran'ny diavolana sy ireo kintana
mpanazava ny tontolon'ny haizina.
Mikimpy aho, mankafia ny hafanan'ny taram-pitiavany,
Izay manalefaka indray ireo tady nihenjana vokatry ny tolona tamin'ny hasiakan'ny tany.
Tsapako mivaivay hatrany anatin'ny taolako efa ngolin'ny hatsiaka mamanalan'ny ririnina,
ny afom-pitiavany.
Ny hirifirin'ny oram-panala nampitresatresaka ireo hoditro,
nampivaingana hatramin'ny rĂ  nikoriana tato anatiko.
Toa nivadika hafanana sy orana hafa kely,
Lasa pitik'afo no nijohy nanerana ny tany,
Kanefa tsy mandoro na mamono mahafaty.
Fa kosa, mampitony ireo tomany, manamandina indray ilay fo kely karakaina, tsy nahatsapa fiadanana.
Manafoana ihany koa ireo tebitebin-tsaina,
Izay noheverina tsy hifarana.

Reko ny feo mangany, toa fanjaitra be marani-dela
mitsatoka an-damosiko.
Kay izaho no diso, fa fantsona vaventy no nitsatoka, nitroka mafy ireo karam-poizina mahery vaika nanerana ny tenako.
Ka indro fa nivoaka toy setro-mainty, nananika ireo rahona miloko volon-davenona,
Nalaky toa nidify, nanjavona tsy tazana. (...)

Olona afaka aho! Izay no kalokalo nentiny nandrotsirotsy sy nanapaka ireo tady namatotra ny fanahiko,
Mba ho voton-kery indray, ho velombelom-bolo.

Olona afaka aho! (...)

Tara-masoandro
20/01/2020
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
561 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01