MASON'NY FANAHY (Tara-masoandro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa rahoviana ihany,
Vao tsy handrotsaka tomany
Ilay mason'ny fanahy,
Toa matory tsy mba sahy
Misokatra sy hifoha,
Ka hikatsaka ny soa
Handala fahendrena
Hanadio fitondran-tena,
Sy hametraka fitsipika
Mba hitombo sy havitrika?

Rahoviana vao hiandrandra
Hibanjina ny ambony fa tsy ny ambany rava?
Rahoviana vao hifoha, amin'ny torimaso mamy,
Ka afaka handrava ny aloky ny omaly?
Rahoviana vao handrodana ny sitrapon'ny nofo,
Ka hizotra lalan-tsara, hahiratra sy hilofo,
Amin'ny fitandrona ny aina
Sy ny fandranitan-tsaina?
Ka ho feno fahalalana
Dia ho halan'ny adalana,
Tsy ho voafandrika sy ho revony,
Tsy ho mpianany sy andevony.

Fa rahoviana ihany,
Vao tsy hibanjina ny tany
Ilay mason'ny fanahy,
Fa hifantoka any ho any?

Tara-masoandro
27/09/2019
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
630 1
Mpakafy: Tara-masoandro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147