MIFANINGOTRA AINA (Tara-masoandro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitsahatra ny tany minitra maromaro...
Ny rivotra no sisa mba heno fa nandalo,
nanafosafo ireo takolantsika efa nivoara-mena...
Ny herika manify no nifafy sy nandena
ny nofontsika efa jihitry ny hatsiaka...
Nifampihazona, nifampibanjina teo tsika.
Tsy nisy na dia iray mba nahaloham-peo fa, toy ny moana, gina tsy nahateny.
Ireo tananao namikitra ny tanako nefa te hiteny
Te hilaza hanambara ny am-ponao...
Isika rahateo mpinamana ihany, ka nampiahotra anao.
Kanefa efa fantatro anatin'ireo maso hita miharihary
Ilay fitia nafeninao tazana mibaribary.
Nanomboka aho nihovitra, tsy nahatana intsony ireo rotsa-dranomasoko
Fa navelako hikorisa hanamando ireto masoko,
Ianao nitsiky kely nanoroka ny andriko, namafa ny takolako tamin'ny tananao malefaka...
Samy toa tsy teto an-tany, tsy nisy valan-ketraka
Fa nahatsiaro maivana aok'izany,
rehefa injay ianao namihina ahy mafy, saika hibitsika mangina teo ampoto-tsofiko,
kinanjo...
Nitsoka ny feo fanairan'ilay sambo hitondra ahy ho any ho any...
Toa vao maika aho tsy nahateny, na dia mandrapihaona ihany...
Fa ianao kosa, nihiaka mafy tokana:
"Tiako ianao"!
Naneno fanindroany ilay feo fanairana ahy...
Nihazakazaka aho na dia hontsa ny fanahy
Nanenjika ahy ianao, niantsoantso tamin'ny feo toa mitoreo, nanonona ny anarako...
Saphira! Saphira!...
Toa nigagam-bahoaka izato fihetsintsika
Nahatonga ilay tatsambo hanome ahy dimy minitra
Satria toa ranomaso tsy voaritra
no nijohy ny tavantsika ka tsy hifanomezan-tsiny (...)
Ka hoy indray ianao:

"Aza tsiny akia, raha toa ka tara loatra vao hiteny aho hoe malala raha toa ka sitrakao...
Tena tiako ianao, fitia tsy sangy ny ahy na koa hoe kilalao
Fa mahery vaika loatra tsy laitrako kobonina...
Saingy nefa indrisy, fa segondra vitsy no afahako mamboraka ilay fitia nilona ela, nandrodana ny anatiko...."
Tia anao aho, tsy misy hoe nahoana na satria. Tiako fotsiny amin'izao..."

"Gina aho, tsy nahajery intsony ireo masonao nipitra
Nihondrika aho nibanjina ny tany
Satria toa tsapako avy hatrany ny foko ho nitritra
Nifamaofao tanaty saiko reo finamanana nadio tsy nisy kianina
Nihoatra ny im-pito aho no namadika ny lelako
Fa na tsy maintsy ho manina
Dia indrindra tsy hanenenako,
Ny hilaza aminao ilay tena avy ato am-poko
Tsy misy petipetina, tsy nokasian-doko...
Tia anao aho, tsy misy hoe nahoana na satria..."

"Tapitra amin'izay ilay minitra dimy"
Hoy ilay tatsambo entitra dia entitra...
Handao anao aho ry tiako, mifona aho miala tsiny...
F'ilay fitia kosa, tsy avelako hilefitra
Hitia anao aho na an-tany lavitra any
Ianao irery ihany no fahasambarako eto an-tany...
Ka manantena anao hanaraka ny diako na ho ela na ho aingana.."

"Mandram-pihaona ry olon-tiako!Am-paradisa any ho any no miandry anao ny foko
Ilay raozinao irery ihany no tiako sy tsy foiko..."

(...)

Tara-masoandro
--------
Rohy:
633 1
Mpakafy: tjstahn
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148