FOFONA RE ZAO!!! - Teboka Telo
Azo vakiana?
Misy fofona manento eny rehetra rehetra eny!
Fofompofon-katsembohana, fofom-bavanao miteny!
Fofofofompofon-kelika, fofonk'endy, fofom-"patte",
Fofompofona sakafo sy fofon-kena lany daty!
Feno fofompofom-pesta eny anivon'ny tontolo;
Fofom-patina voalavo sy fofon-taina vorondolo!
Fofon-tatatra sy "dalle", fofompofon-dranon-dolana!
Fofompofona madama tsy mifaram-padimbolana!
Eny Tsimbazaza koa misy fofona masiso:
Fofompofom-politikan-kolikoly, risoriso!
Fofom-pamenoana paosy sy fofompofon'adiseza:
Tsimbazaza aho, "tsy mba zaza", ny lohany ihany kay no ngeza!
Ilay olon-tiako kosa, io, no antsoiko hoe "fofom-bady"
"A" io fa tsy "O" fa sao avadikao sahady!
Aminy no aharenesana 'reo fofona tsy misy tasy:
TilapiĆ , bilakibasy, pirina sy trondrogasy!
Hevitra mandeha
nalaina.andriambola (31/10/2017 13:25:53)
mis karazana fofona maro izy zany a
azteca (08/03/2019 12:14:02)
fa rehefa ireo karazam pofona ireo, na ny ratsy na ny tsara, no mifangaro amin'ny toerana iray sy amin'ny fotoana iray ....
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 31/10/2017
Mpamangy : 1221
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ISAKY...FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!
TSY MANDRY NY TANY