I Zety (Teboka Telo)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ambarako anao ny tantaran'i Zety?- Tovovavy kely, mpanenjika fety;
Ny volony? Bory! Tsy nilana hety,
Fa sarontsaroman'ilay kasikety!
Efa impiry nivoaka gazety,...
Fa miseho ho favy, miseho vedety:
Nangalatra volam-bazaha iray malety
Ka tratran'ny pokna tao Besarety
Dia nihidy amam-bolana tany 'ty Zety!
Hafaliana ny an'azy nahita an'i Pety
S'ireo soisidera avy tany Kaoety,...
'Lay nitoraka kiraro, 'lay mpanao gazety!
Rehefa nivoaka avy tany 'ty Zety
Dia toy ny tantsambo vao tonga an-tanety!
Nirangorango, ary koa dia nitety,...
Nitady fika, hanaovana fety!
Jerena daholo 'zay toerana mety:
Na fiarakaretsaka na anaty sarety,...
Hikaroham-bola, f'hanao metimety
Satria tsy matory raha tsy mba mifety!
Tsy nisy hateloana... Fa dia vetivety
Dia kobo sahady 'ty fikan'i Zety:
Nangarom-paosy!... Kinanjo voagety
Totohondry sy daka s'ireo coup de tete!
"Miova felling indray izao no mety
K'aleo dia ekena 'zay rehetra magnety"
Na hataony antsangory, na hataony borety,
Na ho beseball na ho basikety!
Ny niafaran'ny tantaran'i Zety?
Dia nampalahelo: tsy variraiventy...
Amponga mihanton'ireo te-hitety
Sy boky famelatr'ireo andro fety!
Teboka telo...
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/teboka-telo/i-zety
Sokajy :
vazivazy
Hevitra mandeha

Nofy2
(
05/08/2014 12:59)
tsar kos an!ten maay nw!

mpisotrtoaka
(
17/06/2015 17:28)
Eisy e r'Ikala zety e ! Lazao fa mpitolon'ny karanty sety
d lazao koa fa havan'i belasiety
D lazao fa mampiofana laretirety
Izany va re no valeran'i Zety !!!
d lazao koa fa havan'i belasiety
D lazao fa mampiofana laretirety
Izany va re no valeran'i Zety !!!

mpisotrtoaka
(
17/06/2015 17:28)
Mahay nareo e !

kalonantitra
(
03/08/2017 10:00)
Misaotra nankafy e