RAHA TIA AHY IANAO (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tia ahy ianao,
Aoka re mba tsy ho tsiniko
Ny hangataka, ho ahy, ny tananao mba ho fihiniko...
Hifamihina ho iray,
Ho anio, mandrakizay...
Ka ireny tafasirintsika roa 'zay tra-maraina
No hamokisana ny saina!

Raha tia ahy ianao,
Izao no hafatro sy diniko:
Adinoy toa tsy nisy ireny lasa sy fahiniko;
Reo fitsapana mahamay
Tao Lohavohitra, Babay,...
Fa fitiavana ngononina, safosafo mba kasaina
Orokoroka andrandraina!

Raha tia ahy ianao,
Ny sorokao ho sakambiniko,
Hanafana ny tontolo sy ny alin'ny ririniko...
Ka ho tena tafaray
'Reto fo 'zay efa may
Ho safononoky ny fy sy hasambara-nozaraina...
Ho ampoka ny fo sy saina!

Raha tia ahy ianao,
Aoka re mba ho ankiniko
Aminao ny fitahiry ito rano iray siniko;
Hampitambatra ho iray
Solofo handimby anaran-dray!
Ka ny bitsiky ny fo sy sefosefo ao an-tsaina
No hanakora tsy hay tohaina!
--------
Rohy:
3286 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 29/08/2016 06:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01