SITRAN-TSY MIODY - Teboka Telo
Azo vakiana?
Sitran-tsy miody aho raha izay alahelo!
Ny foko efa niofo ho vato kilonjy:
Tsy mientona sento na mamelovelo,
Tsy mila fihantana, hilambana vonjy!
Sitran-tsy miody aho raha izay horohoro!
F'efa zatra niatrik'ambavana ady:
Nilom-peom-basy sy afo mandoro
Ary gadram-patoran'ny gidrana tady!
Sitran-tsy miody aho raha izay ahiahy!
F'efa zatra ny tsokan'ny rivo-panala:
Mpanao ranolava haningotra vahy;
Sy fandrika moka amin'ireo tranokala!
F'efa sitran-tsy miody aho ka aza terena
Hanaraka tsindron'ireo lany asa
Midoka ny tenany ho be fahendrena
Fa ny ahy ny fanefitro : "ny androko lasa!"
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 11/10/2018
Mpamangy : 638
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
VAVAKANY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
EMBONA SY TO!
FOFONA RE ZAO!!!
TSY MANDRY NY TANY
SINA!
SAMBATRA, ENY, SAMBATRA!
ZANAKO
AOK'IZAY