ZANAKO (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangina, mangina, ry zanako izany,
Ka aza tomany!
Etsy ho fafàko ity masonao.
Fa manomboka izao :
Tantanako ianao sady hosakambiniko,
ary hankiniko
amin'ny Tompo ao ambony, ny ampitsonao,...
mBa tsy hanindao.

Idada, iny mantsy, dia hitanao ihany
fa tena mpandany
no sady mpiliba,... fa tsy mba mpitady.
Ka raha izay angady,
dia nofy anie izany fa tsy mba handray izy,
mandrakizay...
Ka ianao, ry zanako, sombin'ny aiko,
no sisa antenaiko.

Ireny, jereo indray ny fianankaviana
Fa toa dia ratsiana
manati-kabary,... Ka raha vao maraina
dia miady 'ty saina:
«Inona indray re no zavatr' ho avy
aminay mianankavy?»
_Na ompa, na latsa, na fanarabiana,...
Tsy maintsy ihafiana!

Ireo mpiara-monina amintsika 'ndray kosa
dia tia fosafosa,
Manositosika, manindry lavo
Antsika mavomavo!...
Ny hanina omaly, tadiavina anio!...
Kanefa ifalio
F'Andriamanitra tsy andriny, andriko ihany,
Ry zanako izany!

...
--------
Rohy:
1153 1
Mpakafy: fyandrianina1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 24/08/2017 10:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149