mafy orina (Telomahery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAFY ORINA

Tsy misy mahaliana ny eo anilanao!
fa adiady lava izay no hitako ao
hadinonao ny toky izay nifanaovan tsika
sa?efa ela ireny dia efa niova koa ny bika

Izaho anie vonona hifankatia aminao malala
fa ny esoeso sy latsa mitady hamaky vala
raha ny faniriako rehetra no tantaraiko aminao
dia angamba izay ny fetra fara nenina aminao

Raha ny fandeferako,raha ny hatezerako
raha ny zanantsika,raha ny ra nandriaka
dia tsoriko aminao fa na tapero na ravao!
kanefa tiako foana ianao ao an eritreritrao ao!!

Izaho anie malala efa nisafidy
ny tendrim po adala natao fanalahidy
fa tiako oa ianao!!?amin ny androko sisa rehetra
ny laingalainganao,ny fitapitakao tsy hanimbako tarigetra

Fa tokatranoko io tsy azon iza hidirana
iaretako eto foana na dia misy fifandirana
izaho tianao malala jereo zanantsika
raha fandrika na bala tsy atahorantsika.

Telomahery
29/05/2015
--------
Rohy:
1912 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Telomahery
Nampiditra : telomahery
Daty : 28/07/2015 14:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104