You are here: home > Vetso

HARATRANA - Thierry

Azo vakiana?

Nilaozanao aho mbola tia
Tsy nety izato fo
Kivikivy, very dia
Noho ianao tsy nankato

Toky fitaka natao
very mafy aho ity
Nanimba ,nampandao,...
Ka tsy afa-nankafy

Nijangajanga teo imasoko
Orokoroka natao
toetra tsy mba tantiko
kanefa vatranao

Nanilikilika ahy
Toy ireny tsy olo-tiana
Ratsy 'zaho lahy
Fa tsy hitondra fahoriana

Nanda ny fanomezako
Fa maivana ny vidy
Ny fonao tsy hifehezako
Hialako fa mangidy

Haratsana ny fitia
No mety ahalasa ny aina
Mamono ,mampahia..
Loza ho anao 'zay tsy lazaina

Sokajy : Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : Thierry

Nampiditra : Babaroka
Daty : 22/07/2006
Mpamangy : 892
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Faniriako
Anjara ratsy
HARATRANA