FOLO AOGOSITRA (Toetra RAJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOLO AOGOSITRA


Nisy teny
Ombieny ombieny
Re nanako
Izay nombako.
Tsy somonga
Fa nanonga
Moramora
Isan'ora
Ilay feo
Naneho
Fahasahiana,
Fitakiana
Ny hanjerana
Ny lalàm-
Panorenana,
Hamerenana
Ny very
Sy niery.

Olona
Mpitolona
Maro be
No nandeha
Nitanjozotra,
Nipololotra
An-daharana.

"Fiakarana"
No baiko
Nolanjaiko,
Lanjainao.
Ny "andao"
Hankany
Hatrany
No renao
Tam-birao
Nitaona anao :
"Izao dia izao".

Nihamaro
Nifangaro
Tsy isaina
Ireo nisaina.
Vetivety
Dia hety
Ny arabe.

Ho aiza hoe ?

Hidongy,
Hitrongy
Tsy hihamba
Ny mandan'
Ireo ngeza
Mafy seza.

Indrisy
Fa nisy
Feo nandratra
Vatravatra
Tamin'ny haino
Ka isaino :
Mpianakavy
Aviavy...
Hoe "hivoatra"
No hamboatra
Sambo fiara
Tena tsara !
Ny vahoaka
Dia havoaka
Ho rano
Sy angano.

Tsy voky
Fa toky
Fitaka
Mandripaka
Tsy resy
No asesy.
Tsy afa-po
Ny ati-doha
Be kiry.

Fa aina firy
Moa izao
No nandao
Ny tany ?
Moa izany
Tsy hampiana
Any aoriana ?
Tena sahy
Fa tanin-drà
No amokaram-
Pamaharana !

Tsy nitony
Intsony
Ny vahoaka
Fa napoaka
Ny rindrina
Mpandrindrina
Habibiana
Fidongiana...

... Indreny
Niray teny
Ny Daholo
Tamin'ny "folo
Aogositra".

Voahosotra
Finoana
Ireo nirona
An-dàlambe :

"Diam-ben'
Ny fahafahana"
No niarahana
Natao.
Lapa vao
No ao an-doha :
"Iavoloha" !

Tsy hitsoaka
Ny vahoaka
Te handray
Amin'izay
Fitondràna
Sy lalàna
Vaovao :
"Izao dia izao".

Ts'isy basy
Ragasy
Te hahazo
Raha nihazo
Ilay lapa ;
Fa "kapa",
Sy "Baiboly",
No ody voly ;
Aponga
Mampanonga
An-tsakelika.

Niherika
Ary aho...

...Nifamaho
Niova volo
Ny tontolo !
Tena ady
Grenady
Tifi-basy
Malagasy
No niseho.
Fa feon-
Tomany
Hiaka izany !
Vavy, lahy :
Boba rà,
Nisy maty
Trobaka àty
Ny naratra
Vaky tratra,
Niongo-bolo... !

Ny "folo
Aogositra" :
Nandositra
Iny aho,
Nitalaho
An-tanimbary,
Narary
Vaky fo
Fa nahavoa
An'i Kala
Ireo bala
Nafafy
Olon-drafy.

Tsy adinoiko
Ato am-poko
Ilay masoandro,
Ny andro
Sy ny ora :

"Maritiora
Ianao ;
Ny anaranao
RaMalagasy
Tsy voatasy ;
AKANJO BA
NO VONTON-DRA
FA IANAO
DIA VAOVAO !"

Toetra RAJA
Desambra 1991
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1442 5
Hevitra mandeha
bichette ( 02/08/2004 08:20)
tena tsaroko tena mafy ireny fotoana ireny, hatarmin'izao aho rehefa mahare elikoptera dia tora-kovitra
betroka ( 05/08/2004 08:17)
Eny tokoa ry Bichette, tena ady ireny fa tsy adiady. 13 taona lasa izay !
andriary ( 14/10/2004 14:44)
mampisento ity tonokalo ity!
tantara...
toetra ( 14/10/2004 21:27)
Araka ny hevitro dia andro manan-tantara ny 10 aogositra 1991, na dia misy aza ireo mpanao politika tsy miombon-kevitra amin'izany.
Marina ny anao ry Andriary fa manana ny anjara birikiny ny poeta eo amin'ny tantaram-pirenena.
amfhaja ( 18/06/2005 08:58)
hahatsiarovako olona iray izany ny 10 aogositra, olona nitaiza ahy. Raha ny hevitro de tsy rariny mihitsy ireny nefa iza moa no afaka hiteny?
na ny olona nitarika aza t@ireny nivadika indray zao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetra
Daty : 31/07/2004 21:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147