I KAOZATRA KELY - Toetra RAJA
I KAOZATRA KELY
I Kaozatra kely
No nampihorohoro
Ny mponina ety,
Tena namely
Ka dia nampikoro
Sy nampikodia.
I Kaozatra kosa
Miantehitra foana
Amin'i Hozatra be
Mba hampisosa
Na dia mivaona
Ny lalan-kaleha.
Indro fa fanina
Mafy ny adin'
Ilay lamasinina
Tsisy ny hanina
Lany sahady
Ireo vitamina
Ny etsy am-pita
Manambatra hery
Manozatra koa,
Ady tsy vita
Izy ity ry mpijery
Mijery fa voa !
Toetra RAJA
29 aogositra 2009
Sokajy :
Fanatanjahan-tena, Kolontsaina
Hevitra mandeha
hery (30/08/2009 08:17:56)
ANARIM (31/08/2009 12:33:50)
rhina (03/09/2009 05:31:02)
fa iza i kozatra kely e!!!
hiiiii!!!!
kabatritra (04/09/2009 21:48:46)
Ankamatatra 'ty marina ! Iza tokoa io ?
Mysento (05/09/2009 12:38:44)
Mombamomba
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetraDaty : 29/08/2009
Mpamangy : 2322
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
LALAN-TIAKOINY ILAY ZAZA
FANANTENANA
TSY BARAINGO
DIAM-PENINA
RY BE GALONA
LANJAM-PITIA
RAHA TETO I RADO
FOSAFOSA
MAMAFAZA VOA