You are here: home > Vetso

Azafady - Toky Angelo

Azo vakiana?

Iza moa no diso raha pila ny toko
Ny nisafidy azy sa ny vodivilany
An'iza ny tsiny raha maratra ny foko
An'ny olona tiako sa an'ny tenako ihany

Fa safidy malalaka nefa sa hoe anjara
Ny fitiavana olona tsy voadini-toetra
Tsy tokony ho adidiko ve ny mijery tsara
Alohan'ny hino ny lainga rehetra

Heveriko angamba fa fahadisoana
Ny mamindra ny tsiny amin'ny olona hafa
Izaho ve no diso, nanaonao foana
Dia olona hafa no halaiko baraka?

Tsia, tsy mety ary ho laviko hatrany
Fa aleoko miaritra ny latsan'ny nenina
Ka ho anao izay sendra iharan'izany
Aza ny anarako no averim-berina

                    Toky Angelo TF





Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Toky Angelo


Nampiditra : tokyangeloo
Daty : 28/04/2020
Mpamangy : 142
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Fitiavana mangina
Dada sy Neny
Ny marina
Hafatr'I Neny