You are here: home > Vetso

Dada sy Neny - Toky Angelo

Azo vakiana?

Be ireo mpanoratra mivetso ho an'ny neny
Ilay nitrotro sy nibaby ary nampianatra nibada
Fa toa maro mpanadino ary vitsy mba miteny
Hoe i Neny lasa Neny dia  ny fisian'ny Dada

Ny firaisan'izy roa  izao no tiako ho deraina
Fa izany aloha no hitako fa loharanon'ny fisiako
Izay adiadiny any, aleo angamba tsy ho tsaraina
Fa raha samy mbola eo izy dia izany no ifaliako

Na i Neny na i Dada samy niezaka nisasatra
Samy niaritra izay sedra nifandimbindimby teo
Samy niezaka nanao izay mba ainy tsy ho zavatra
Tsy misy teny mahalaza ny fisaorako azy ireo

                     Toky Angelo TF

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Toky Angelo


Nampiditra : tokyangeloo
Daty : 28/04/2020
Mpamangy : 144
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Fitiavana mangina
Ny marina
Azafady
Hafatr'I Neny