You are here: home > Vetso

Ny marina - Toky Angelo

Azo vakiana?

Ny marina.
Misy tena misy saingy iniany tsy tenenina
Tsy ahitany tombotsoa ka ezahiny afenina
Kevoka sy dedaka amin'ny fitiavana miresaka
Tsy misy marina akory fa ny eboebony no betsaka

Raha misy iray manohitra ny zavatra lazainy
Dia sokajiany ho fahavalo ary avy hatrany dia tsarainy
Fa izay mikasa hanao ny marina tsy avela hivoaka velona
Misy hafahafa saina re isika olom-belona

Na dia izany kosa anefa dia ialako lavitra ny tsiny
Fa tsy ho ekeko velively ny marina afinifiny
Na ho tery tsy ho haiko  iainana aza ny fonja hivarinako
Dia tsy avelako ho totofana izay mety ho fahamarinako

                           Toky Angelo TF

Sokajy : Fiaraha-monina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Toky Angelo


Nampiditra : tokyangeloo
Daty : 28/04/2020
Mpamangy : 109
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Fitiavana mangina
Dada sy Neny
Azafady
Hafatr'I Neny