HAFATRA HO ANAO (Tsanta MIKANTO)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA HO ANAO .

Malala a,
Tsy manam-bola aho na harena,
na tahirim-bolamena,
Kanefa kosa ;
tsy hitrosa,
Fa :
Hifampizara am-pitiavana,
‘zay kely anananako rahavana !

Tsy tsara aho ,tsy tonga lafatra,
na olo-be pahafantatra,
Kanefa kosa matokia ;
Fa :
vonona hifangia,…
aminao irery ny atifoko,
na ho tomany,na toloko ;
iny lalantsika iny !

Tsy ahoako izay kiana,
Tsy ataoko hampisy hakiviana,
Fa ;
ny angatahiko ry tiana ,
dia :
izaho aza ampijaliana !

Tsanta MIKANTO
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/tsanta-mikanto/hafatra-ho-anao
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1449 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsanta MIKANTO
Nampiditra : tsanta mikanto
Daty : 21/09/2015 17:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2827