TSY IANAO IRERY (Tsanta MIKANTO)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IANAO IRERY,‪

Tsy ianao irery ry kinta-mampifila,
No azoko andrandraina hanome hazavana
Ka na hiteny aza ianao hoe : « Ny tenako tsy mila »
Dia mbola ao ny masoandro hanome hafanana !

Aza be rehareha fa tsy ianao irery tsy akory
No afaka hanjaka eo anivon’ny lanitra
Na dia natosikao aza ny foko oriory,
Mbola ao foana ny tompo Andriamanitra e!

Rehefa ho avy tsy ho ela ny andro maraina
Ka iny ianao no tsy hita eo ambony,
Fadio ny manatona ahy hitaraina
Fa izaho efa leo, « Tsy tia anao intsony e»
…(…)
Tsanta MIKANTO
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/tsanta-mikanto/tsy-ianao-irery
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1621 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsanta MIKANTO
Nampiditra : tsanta mikanto
Daty : 25/08/2015 10:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.4883