Angamba... (Tsikiko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho avy ihany angamba ilay olona antenaiko
Amin'izay andro izay mety ho mirana ny saiko
Ny nofiko ho tanteraka ? ny heritreritro ve ho to ?
asa... hifoha ho tonga vao ilay fitiavana taloha

Mbola hiverina ihany angamba ilay olona tiako
Amin'izay andro izay hotanteraka ny faniriako ?
Tsy hangina intsony ve ? ny ranomasoko ho foana ?
tsy fantatro... ho sambatra angamba ilay foko nisaona

Mbola ho tonga ihany angamba ny ora hiverenany
Amin'izay andro izay mety hariany koa ny elany
dia, hijanona izy... hitoetra eto... tsy hiala intsony
tsy haiko... haharitra ela, ho ela velona ny fony

Mbola ho avy ihany angamba ianao ry antenaiko
Mbola hiverina ihany koa, angamba... tsy haiko
Mbola tsy maintsy ho tonga angamba ilay ora iray
any aoriana any... angamba... isika hifandray

Saingy... na ho avy na tsy ho avy izany fotoana izany
Fotoana andraindraiko, iriako indrindra eto an-tany
Na ho tonga na tsia ny andro iray hiverenenanao
Mizotra hatrany ny lala-kombako, na dia tsisy anao...

Fantatro fa mitohy ny fiainako, ny masoandroko hihiratra
isa-maraina, ny kintako sy ny volako tsy hitsahatra hamiratra
ny aliko maizim-pito, mitohy ny fiainako... mbola velona aho...
Ny Tompo no mbola manome ahy tombon'andro vaovao...

Malala an, jereo fa velona aho, manohy ny fiainako...
Hitanao ? afaka miaina aho kay na tsy eo ianao hitarainako
Jereo anie e, mitsiky aho... mifaly aho... tsy misy anao
Toy ny olon-drehetra, tsy mba manjombon-dava na hoe lao...

Malala an, na tsy eo aza ialahy dia mitohy ny lalako
Na lasa aza ialahy, tsapako fa tsy foana izay ho anjarako...
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA - fiainana
2730 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikiko
Daty : 06/02/2004 21:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153