tandrifin-drahona (Tsikiko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misomambisamby izany fara-vody lanitro
manerika ihany koa !
Ny rivotra mitsoka mandidona ny akaniko
manetsika ny fo

Misy rahona iny koa mitady hanakona masoandro
manamaloka avy hatrany
Toa hitondra ranon'orana hanondraka andro atoandro
mampangovitra izy izany !

Dia iny ihany koa, fa tsy mahalala menatra
sahisahy izato izy !
Ny aizina mikitroka manofahofa ery ny elatra
handrakotra tsy kivy

Dia indro fa mientana ny foko anatiko ao
misento sy manahy
Manganohano toa mangaina mitady ny hitalao
mampitahotra ahy

Nefa...hataratro mazava ny tsikiko mamiratra
ataoko hatrany am-po
arehitro mahery ny fanantenako hihiratra
ho an'Ilay Tsitoha

Satria rahampitso indray dia hiverina ihany
na dia maloka aza izao
ilay fiposahan'ny masoandro hanazava indray ny tany
ho maraina vaovao

Eny fa na dia tsy hiverina aza io maraina andrasako io
hiery tsy hanam-petra
Efa voasoratra any an-danitra ny ho avy sy ny anio
ao Ilay Raiko tsy mametra
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana
2382 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikiko
Daty : 14/11/2005 13:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105