Fanimpitony (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô, angamba
Raha toa ka tontaliana
Dia fanimpitony amin'ny vavaka
Nataoko ho azy izao.
Vavaka nasandratro
Tsy hitiavany ahy intsony.

Kanefa fanimpitony
Tsy nahitako valinteny
Avy Taminao mazava

Satria fanimpiton'
Ny nahalatsahako tanaty
Fahotana mahafaty

Sady fanimpiton'ny
Efa nahatsapàko
Fa tsy tiako akory izy

Ka fanimpitony amy vavaka
Fifonana nataoko
Hoe rendrarendra fotsiny iny

Sy fanimpitony amy tena
Nanapahako ny hevitro
Hiverina aminao indray.

Andriamanitra ô ry Ray
Atsaharo amin'izay
Tsy hisy intsony na dia iray
Ho fanampiny amin'ireo
Fito maro loatra ireo.


(Mars 1993 - Toliara)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fitiavana
3220 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101