Raha ho azy (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ho azy ianao
Hahavita hanadino
ilay antsika vao niandoha
Tsy maninona lazao
Fa izaho dia mbola mino
Ilay masoandro mbola hifoha

Raha toa ho any ianao
Fa any misy azo omena
Ahafahanao miaina
Tsy manahy fa izaho
Miandry sady manantena
Mbola ho avy ny maraina

...

Raha toa anefa ianao
Sendra azy tsy nambinina
Mahatsiaro mangatsiaka
Mbola ao ny toeranao
Miverena tsy maninona
Hiombona indray isika.

Ho ahy amin'izay ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2282 0
Hevitra mandeha
bichette ( 13/07/2004 16:19)
Sambatra be izay olona anaovana tononkalo sahala amin'ity !
admin ( 13/07/2004 16:43)
Hihihi... tahaka an'izany foana ny tononkalo soratako :)
bichette ( 16/07/2004 09:43)
ie , sady mifono mistery be mihitsy ....
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101