You are here: home > Vetso

Tsiky dia ampy - Tsiky dia ampy

Azo vakiana?

Iny tsikitsikinao iny,
ilay fijerinao tsy foiko
Ireny no nitamberina
sy nohamamiko indray

Tsiky dia ampy
hamerina ireo ratra
efa nokoboniko mangina

Tsiky dia ampy
hamoha ireo hirifiry
nohezahiko hadinoina

Tsiky dia ampy
hampitony ahy hiandrandra
..........ny fiverenanao.

Hevitra mandeha

hery (19/06/2004 05:31:57)

waow...
hiverina eto aho rehefa vita tsara ny exam hamaly azy

Malita (09/10/2009 11:51:13)

Dia inona hono ny valin'ilay examen, afaka sa tsia? hihihi mino aho fa afaka