Tsy ho rava... (TSILOKO Mahadiny)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho rava...

Tsy ny andro indray nizotra noseranam-pahoriana
Na ny ranomason-tsento napatrapatra-pijaliana
No mikiry hampisaona hampanjombona rahavako
Fa tsaroako toa tsy feno 'zany fatran'ny fitiavako

Tsy ny diavolantsika teo amorom-piheverana
No efa latsaka sy diso ka nidifian'ny fanaperana
Tsy izany saingy izao ireny kirin'ny finiavana
No nimaso te hisoko hampanjariana ny fitiavana

Eny dila ny omaly;ny ampitso koa hisoka
Ny antsika raha atotaly? ny fitia no manaroka!
F'izay fatra kely monja toy ny elanelan-tany
Moa izany hampanonja ilay onjan-dranomamy?

Eny iky ry Malala...any ho any tsy ety
Any ho any ianao kanefa,ny antsika ny fitia
Tady vita fato-maty,tena fo ka fo miray
Tsy ho ravan'elanelana,tsy hikoa mandrakizay.

TSILOKO Mahadiny
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2164 0
Hevitra mandeha
Iony ( 19/12/2005 10:53)
Enaga anie!!!!
akamatiana ( 20/12/2005 05:00)
Marina zany!!
SOBIKA ( 25/05/2007 08:27)
enga anie! fa ny ela anie maharay ny roa ary ny alavitry ny maso hono alaviiiiiiiiiii.......
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSILOKO Mahadiny
Nampiditra : Iony
Daty : 19/12/2005 10:08
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014