NY ANILANAO (Tsitohaina Mamitiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANILANAO
Ny andro manjombona
Na hatsiaka maro manala
Rehefa eo ianao
Misinda ireny miala
Hafanana,tambitamby,teny mamy
Aleoko foana eo anilanao hatrany

Na rivotra mifofo na koa mifafy
Rehefa eo ianao toa elatra mitafy
Sangisangy,tsikitsiky tsy mba lany
Toa satrifoana ho eo anilanao hatrany

Fa ny anilanao anie ry tiana
De mitondra fifaliana
Raha lavitra anao
Tsy hita izay atao
Mbola hafa ihany
Zany akaikinao izany
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - embona - Fitiavana
1554 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095