Izao atao(ho fampaherezana an'i hasina heritiana) - ...Tsoa
Azo vakiana?
IZAO ATAO
Aza adinonao fa...
izy koa anie mba miheritreritra
sy maka sary an-tasina
irony zava-bita rehetra.
Saingy,
izy tsy afaka
hatramin'izay nahatapaka
ny fifandraisana izay nisy;
efa lasa ireny,indrisy !
Adinoy...
raha azo atao aza!
Soloy!
Dia ampirimo aleveno any @ lalina;
aza tsarovana akory
na dia zava-marina.
Ny ho avy jerena,olon-kafa indray fantarina;
iny efa tapitra,
f'ianao tsy maintsy miarina.
...Tsoa
29-01-03
Hevitra mandeha
yonikafopl (15/12/2004 21:59:08)
hummmmm
misaotra an'i Tsoa nampahery,
ny hoe hosoloina kalou, mety ho azo atao ihany, fa ilay hoe halevina any @ lalina toa tsy ho vita satria tsy nisy ratsy nifanaovana ange fa noho ilay antony iray mafonja no mandrara ilay fitiavana tsy hivelatra e!!
Fa misaotra noho ny toro hevitrao.
vetsoko (21/01/2005 13:28:10)
Mombamomba
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : vetsokoDaty : 15/12/2004
Mpamangy : 2461
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Taratry ny omalyMBA LAZAO
AZA KIVY
FITIA TSY TANTERAKA
TIAKO IANAO
telo taona sahady
ASA...!
Hoentina aiza ???
Fiononako
Hafatra