Vitako ny zanako (Tsy Avahana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asakasakao mandositra tsy ho rainy
F'izany tsy havelako hibahana ao an-tsainy
Io tsy hitandroako izay mety hasasarako
Ataovy an-tsainao tsara...
Vitako ny zanako

Tsy ataoko hita taratra ato an-tokatranonay
Ny fahabangana misy amin'ny hoe tsy misy Ray
Ny manana ny maty aza mahazaka ny azy
K'izaho ampahafirin'izay nilaozam-bady ?

Hangoniko ny hery hiatrehako ny tolona
Ny zanako tsy maintsy mba toy ny zanak'olona
Aza hadinoina f'izao no tadidio
Aina nitambarana io zaza tokana io

Io tsy zaza foana hijanona amin'izao
Fa ho avy ny fotoana tsy maintsy hitady anao
Safidy niombonana matoa niforona Izy
Ny tantara no aoka hitsara izay sahy nitsoaka adidy

Fa ny ahy averiko eto ka aoka hazava tsara
Hiezaka aho hameno izay ety ho fahabangana
Fa io no hany tokana mameno ny hasambarako
Asanao ny anao fa VITAKO NY ZANAKO

Io safidinao ny nandositra sy niala
Fa ny endrikao eny aminy tsy azonao fafana
Fa ny ahy ny hany tanjona tsy miova fa hotanako
Na ahoana na ahoana VITAKO NY ZANAKO.

TSY AVAHANA
--------
Rohy:
5538 6
Hevitra mandeha
ikalamako ( 05/04/2019 19:31)
ary dia maro ireo nilaozam-bady nahavita ny zanany !!!
Tehaka eo am-pitsanganana ho azy ireny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsy Avahana
Nampiditra : hery
Daty : 11/07/2016 13:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096