Adimaso (Tsy Avahana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Banjininao maharitra amin'ny masonao ny masoko
dia indro mitamberina avy any am-parahatoko
'Ny kilalao fahiny fanaonay fahazaza...!
(Nataonao koa angamba)
"Lay hoe mampiady maso"
...
Tsy very ny tadidiko...fa zavatra tsikaritro
matetika no resiko ny mpifanandrina amiko
fa na mikimpy alohako, na mihodina avy hatrany...!
Tsy haiko tamin'izany
Hoe inona no antony
fa resiko ny mason'
izay mifaninana amiko amin'ireto mpilalao.
(...)
Nataoko mbola ao 'lay hery anatiko ao
nony injay mifampijery ny masontsika roa..!
Indrisy fa tsy izany...hafa ny taloha
Fa vao banjininao amin'ny masonao ny jeriko
Dia reko mihena ny heriko...!
....
Banjininao maharitra amin'ny masonao ny masoko
dia indro mitamberina avy any am-parahatoko
Ny kilalao fahiny
....
Resinao ny masoko ry tiako sy lalaiko
Babo hatramin'ny foko, resy hatramin'ny saiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1116 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsy Avahana
Nampiditra : Rakparfait
Daty : 11/11/2019 08:56
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116