Dia tsy haiko mihitsy aki (Tsy Avahana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia tsy haiko mihitsy akia, ny tena tiako hatao
fa satriko hosoratana amin'ny taza-maso rehetra ny anaranaranao.
Izay azo asiana soratra toa tiako hasiana hoe:
F...mira T....!
(...)
Ny rindrina rehetra, ny boky 'zay vakiko
hatrany an-dalan-tsara, ka hatreny an-doha fandriako
...
Toa satry izany foana 'zay rehetra rehetra hita
dia hisy marimarika amin'ireto anarantsika...!
Tsy tandritandriko aza ny fihetsiky ny tanako
Dia ny loha anaranao sy ny fiantombohan'ny anarako
no indro nahavitako kisarisary fo...!
(tsy fantatro hoe nahoana)
....
Dia tsy haiko mihitsy akia izay nahazo ahy tato ho ato
fa rehefa azo asiana soratra...na hazo izay na vato
(rehefa hoe takelaka)
Dia satriko hofenoina ny anarantsika hoe:
F....mira....T
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
813 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsy Avahana
Nampiditra : Rakparfait
Daty : 11/11/2019 08:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094