Teninao ny hoe: "Mafisa f (Tsy Avahana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teninao ny hoe: "Mafisa fo malala a! "
(...)
Ka nony injay ka mafy ny foko sy ny saiko
dia hita hotsikeraina ny zavatra lazaiko...!
'Zafady aloha r'ikala
Nifankatia isika...f'izao mifankahala
Izay hoentinao dia ento f'izaho efa nivonona
Na teny tambitamby na teny tsy misorona...!
(...)
Ianao no nihodinkodina tsy hita ho tena marina
Ka nony injay fa very tamin'ny lainga be nahafanina
Dia fotaka efa mandry an-taonantaona ela
no mody tsikafonina hanamarinan-tena?
(...)
Nahoana tsy notsorina vao tany am-piandohana
hoe: aleo misara-dalana fa tsy zatra fahantrana
Ny tontolom-piainanao?
Fa tsy ny efa lasa izao...!
no anaovana arofenitra sy mody tsikeraina...!
(Ny eto mba nandinika ary olona nisaina )
Ka nahahalala hoe:
Ny tena hevitrao tsotra raha bangoina
Te hatao MADIO...dia Izaho no lotoina.
amin'ny lasa tany aloha...mba hoe nifamelana
Andao fa tsy maninona...fa io dia izao r'ikala a!
Na iza namanao hitantaranao ny amiko...!
Dia sahiko ilokana eo atrehan'Andriamanitro
Fa IZAHO nitia anao matoa nanaiky diso
Raha nisy fahalavoako
Ka asakasakao sy ny Tody tsy hantsoiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
832 1
Mpakafy: Rakparfait
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsy Avahana
Nampiditra : Rakparfait
Daty : 11/11/2019 08:41
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014