Tsarovy - Tsy fantatra
Azo vakiana?
Tsarovy fa fiodikodinana
Ny didy mitondra ny tany,
Fiakarana sady fidinana
Mikorontana ambony sy ambany
Ny ketraka, mora mivarina
Miroraka ka tonga kanosa
Mipotraka nefa tafarina
Ireny ka olona kosa
Ny olona mandala ny lazany
No sady mitandro ny zony
Manandratra ilay tanindrazany
Manonitra an'io ho ambony
Mandritra ny andro iainany
Ka mandra-patory ny lohany
Izany no hany fisainany
Fisainana tsy mety ho lo.
Sokajy :
Fiainana
Hevitra mandeha
ialahy (21/07/2013 01:14:35)
Ny Havana Ramanantoanina raha tsy diso aho no nanoratra azy ity.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Tsy fantatra
Nampiditra : hmilayDaty : 09/07/2007
Mpamangy : 2023
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Cantilène de madagascarSuzanne ranivo et charlot rabarivelo ( fitia voarara )