HO FAHATSIAROVAKO - Vahatraina Oméga
Azo vakiana?
HO FAHATSIAROVAKO
Ho fahatsiarovako olona iray
Ho fahatsiarovana mandrakizay
Izay efa nataony na tsara na ratsy
No anton'ity ka ataoko vatsy.
Satria izany sisa no azoko atao
Dia ny mankasitraka izao sy izao
Na hedrika ahoana no isehoan'izany
Dia tiako tokoa sy mamiko hatrany.
Ny vitan'ny tiana vare mba tsiniana ?
Na ratsy na tsara dia toa fifaliana
Izay "tiana" izay no andriamanin'ny fo
Ka tiana daholo izay zava-manjo.
Amin'ny sain'ny efa mitia
Ny vitan'ny tiana hajaina doria
Satriny foana ho tadidy hatrany
Na ratsy aza, aminy dia tsara ihany.
"Ny ratsin'ny hafa no mampitomany
"Ny ratsin'ny tiana dia sitraka hatrany.
Zozoro
Mombamomba
Mpanoratra : Vahatraina Oméga
Nampiditra : ZozoroDaty : 24/08/2008
Mpamangy : 978
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZOKIKO Ô !MBA VOLANA HONO AHO KA VOLANA !...
RY NANDAO
HO FAHATSIAROVANA AN'I EDY
IZAO AHO
MANEMBONA AHO
LASA ILAY MPAMORON-KIRA
NY FANIRIAKO
INY HONO IZY
HAFATRA