INY HONO IZY (Vahatraina Oméga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY HONO IZY

Iny hono izy ry antsiva mandalo
Mba rotsirotsio amin-kira sy kalo,
Fa trotrak'itony ankaso mavany
Ka indro misento sy vonto-tomany.

Fa niteli-mangidy noho ilay fandrika tsy hita
Satria naka toky fa hoe ho tafita,
Kinanjo indrisy fa rendrika an-dalana
'ty lakana kely natao hifaharana.

Ento hanaraka ny lohasaha
Amin'ny tsanta malefakin'ny antsampanahy,
Sao mba hanamaina na dia iray minitra
Ity ranomaso tovoizi-tsy ritra.

Trotroy hamangy avoana vaovao
Mba tsy hahatsiaro ilay efa nandao,
Ka ampifalio e! mba ho very dia
Fa mahery loatra 'ty sangodom-pitia.

Iny hono izy ry tsiky sy hehy
Mba ravaho kely re 'tony tarehy,
Ataovy 'zay mety mba hanadinoany
Na dia ora iray ilay nandratra ny fony.

Mamiko loatra e! 'ty havako ity
Tsy foiko ho ory, o! ry antsiva iry,
Ka ny feonao ho malefaka kosa
Mba ho fanafodin'ny jaly miavosa.

Ry tsiky sy hehy, mba ivilio kely
Tohofy ny mamy e! ny soa, ny tantely,
Jereo re 'ty izy fa kofon'ny vahona
Fa ilay masoandro kely dia voasaron-drahona.


Vahatraina Oméga (Zozoro)
--------
Rohy:
1396 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 08/03/2008 19:57)
Tsara !
hjravs ( 17/04/2015 05:39)
mahafinaritra ka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141