Lalànave?kanefa hoy aho (Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lalàna ve?kanefa hoy aho

Kanefa iza no misahana, manara-maso izany?

ary tombon-tsoan' iza no arovana amin'ireny?

Ny lalàna raha misy dia tsarovy hatrany

Fa tsy natao ho an'ny kely tsy mahazo miteny



Rehefa mandeha itony atao hoe reportazy

Dia sahinao ve ny milaza fa voaaro ny zo?

Ny mpiasa?karama iray volana 30 euros no mba azy

Vidin'akanjo mihoatra lavitra, tsy to!



Aoka re Ramalagasy ny fitatàtatatàna hoe tsy mety

Fa aleo hatambatra ny hery hiarahantsika

Mamboly,mamokatra,ireo tanety

Izay lazaina, fa miboridana ,mangatsiaka.



Jereo ange ny paikan'ny lafrantsa

Mody manasa ilay filoha sinoa,ao Parisy

Hiara hifaly anao fety, nefa tena antsantsa

Ny azy no ataony tonga aloha,ny hirigirika ataony tsy misy.



Lazaina fa mpanao osoka ny sinoa e!

Nefa ny orinasany no asisika hatrany

Hameno ilay marché ngozabe

ny karama amin'izany ambany dia ambany



Dradradradraina isan-taona ny hoe zo

Nefa ny ataony tsy hitany akory

Ny vola , ny vola no atao am-po

Ka ilay manana ange tsy ho havan'ilay ory.



Kanefa isika raha mitady ny fahafahana

Eo anivon'izao tontolo izao

Mikatsaka ilay marimaritra iarahana

Tsy ho vita mora , fa hadino eo ianao



Mifankahereza Ramalagasy mpiray tanindrazana

Fa ny ahiahy hono tsy hiavanana

Ka mba isian'ny marimaritra iarahana

Dia tano ny azo, hiasa ampahalalahana


Vaoarilala Andriantsifanetra
Rakotoarijaona
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
2358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona
Nampiditra : nofinofy
Daty : 27/01/2004 15:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098