You are here: home > Vetso

Teo antsena - vazivazy

Azo vakiana?



Omaly atoandro aho raha teny antsena
dia indreo misahotaka ny mpivarokena
diso fanantena no sady sorena  
tsy nahatafaveina masokarena

nakaiza daholo ary ireo mpividy ?
mbola variana misotro mangidy ?
tambavy manala ny havizanana
ho solonkitoza sy vary amin'anana

Rasoa bota kosa nefa etsy ampita
ifandrotenana mila tsy hohita
ireo mpividy indray aza no ferany
lafo hatramin'ny sobika hitoerany

kevoka ery anie i kala bota
fa lafo daholo ireo entana tonta
hiketrika laoka mafilotra ihany
hahandro vary mameno vilany

Sokajy : vazivazy

Hevitra mandeha

endrika01 (25/10/2009 10:32:59)

tsara be ilay ventsonao!tohizo njay we!!!!!!

riando (06/11/2009 07:35:27)

mlay ranga fa tohizo o!

endrika01 (15/11/2009 09:38:19)

hita wa,aiza ny tohiny รด!

Mombamomba

Mpanoratra : vazivazy

Nampiditra : razokilah
Daty : 23/10/2009
Mpamangy : 1903
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Ikala jejo