FITIA TSIAMBARATELO - VOLAFIHA
Azo vakiana?
Tianao aho kanefa indrisy!
Nefa indrisy fa ireo misy
Ireo misy indreo mibahana
Indreo mibahana
Manakana ilay fahalalahana.
Tiako ianao kanefa moa
Nefa moa ireo taloha
Ireo taloha tsy ahafaha-manoatra
Tsy ahafaha-manoatra,
Tsy ahafaha-mitroatra.
Tianao aho dia tiako ianao
Tia, kanefa hatramin’izao
Hatramin’izao mampalahelo
Mampalahelo fa
Fitia tsiambaratelo.
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 716
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RAKI-TSAROBIDYNIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA