MATOKIA (VOLAFIHA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia lavitra aza ianao
Matokia fa ato am-poko;
Ny elanelana amin’izao
Matokia tsy hanadinoako.

Ny fitiavanao nitoetra
Matokia fa ho koloiko
Tiako mihoatra ny rehetra
Matokia fa tsy ho soloiko.

Ny fitiavako ihany koa
Matokia fa anao irery
Sanatria ny hivaky roa
Matokia tsy asiko ho very.

Mety hisedra zava-mafy
Matokia tsy hisalasala
Vonona hiezaka aho, hiafy;
Matokia f’izaho tsy hiala.

Raha ambinina indray
Matokia ny faniriako
Hiara-honina amin’izay
Matokia f’ianao no tiako.

Efa anao aho hatrizay
Matokia fa ho doria;
Ho anao mandrakizay
Matokia dia matokia!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2152 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108