NALEOKO (VOLAFIHA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nampoiziko ho toy izao no niafaran’ilay fihavanana
Dia naleoko aloha tsy nanana.
Raha nampoiziko ho toy izao no niafaran’ny fifandraisana
Naleoko ts’isy ilay niraisana.

Raha mba fantatro mialoha fa hisy ako ratsy hatrany
Dia naleoko irery ihany
Raha mba fantatro mialoha fa mety tsy hampilamin-tsaina
Naleoko hatrany tsy nilaina.

Raha noheveriko hatrizay fa hamokatra an’izao
Dia naleoko ts’isy anao.
Raha noheveriko hatrizay f’ireny hian-tsary zavatra hafa
Naleoko mihitsy tsy nitafa.

Raha noraisiko ho marina izay efa reko rehetra
Dia naleoko tsy nitsetra.
Raha noraisiko ho marina fa lainga ilay fanazavany
Naleoko foana irery ihany.

Raha nosainiko ihany mantsy fa ho sampona ny dia
Dia naleoko tsy nitia.
Raha nosainiko ihany mantsy fa ho ratsy ilay fitiavana
Naleoko hatrany aloha nolavina.

Raha mba izany mantsy…
Angamba ts’isy ratsy!!!
--------
Rohy:
771 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015 11:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103