You are here: home > Vetso

TSY INY... - VOLAFIHA

Azo vakiana?

Fantatrao tsara efa hatramin’izay
Fa afo ny fitia
Haingàna mivilia,
Mihodòna tsy hijery
‘Ndrao ho may indray
K’hihitatra ity fery
Meteza ianao atoro
Raha mbola te hijoro
Aza be fikiry,
Tsy anao iny ho’aho
Aza mila raharaha
Efa an’olona iny.

Fantatrao tsara efa hatramin’izay
Fa afo ny fitia
Haingàna mivilia
Aza mety ho tratra
‘Ndrao ho may indray
K’hihitatra ity ratra.
Meteza ianao anarina
Raha mbola te hiarina
Mba tsy hananan-tsiny
Mianara ianao mandà
Tsy anao iny ho’’aho
F’efa an’olona iny.

Any mbola be dia de
Mbola ho avy ny an’ise
Amin’izay vao maneke;
Amin’izay vao “eny” hoe.

Sokajy : fananarana

Mombamomba

Mpanoratra : VOLAFIHA

Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 531
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAKI-TSAROBIDY
NIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA