Alina (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina iray mangiana sady tony
Alin'ny ririnina manerika manify
Ali-maizim-pito tsy nahitako intsony
'Lay fanantenan'ny alina. Lasa sy nidify

Alim-pahanginana mibaiko koa ny tavako
Hanjombona tanteraka, handrotsaka tomany
Ali-nilazana fa lasa ilay fitiavako
Tsy ho eto intsony fa lasa handao ny tany

Alim-pahoriana maniraka ahy hisaona
Alina mangidy tsy nahitako tory
Ali-nisarahana iray fa foana foana
Io ilay alina io tsy tratranao akory
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
524 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202