FAMPAHEREZANA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mitomany ianao dia vakio ny soratro
Aza atao ho mpandatsa fa ataovy mpampahery
Raha mitomany ianao dia aza malahelo fa...
Mbola tiako ianao ka tsy havelako irery
Havotako hatrany, tadiaviko raha very
Ka mijoroa ianao, fafao ny ranomaso
Aza arahin-tsento fa ataovy ho fifaliana dia...
Tehirizo f'aza ariana
Iny antony iny

Raha mitomany ianao dia tadidio ny lasa
Mijoroa reseo fa aza avela handatsa
Fa raha mivatravatra, ny ranomasonao dia...
Tadidio f'izaho efa nanoratra ho anao
Tsy handatra fa hampahery
Hitady anao raha very, hivavaka ho anao
Hikaroka vahaolana, anao zay azo atao
Raha mitomany ianao dia vakio ny soratro
Ataovy ho mpampahery ny teny izay voalahatro
Fa ilay namanao tsy mahafoy anao no nanoratra anreny
Teny vitsivitsy hanehoako anao fa TSY IRERY IANAO


"Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; Eny, fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindrampony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona" FIT 3 :31 -33
--------
Rohy:
916 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 01/09/2019 19:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103