FANANTENANA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niandry ny ampitso ka indro tsy niova
Ny fotoampiavin'ny volana ambony
Mitsinjo ny tany malalaka ambany
Manaitra ny mason'ny mbola matory
Izaho irery sisa no hany miandrandra
Ny fahafenoany malaky mba hitsinjo
Eo ampototry ny hazo izay fiantorahako
Amin'ny karazan-javatra tahak'itony

Toa mora malazo lay raozy naniry
Voatondraky ny ranomaso matetika
Teo an-jaridainan'ny fitia tsy antenaina
Nana-antitra tsilo nandratra ny fo.
Ny anjara masoandrony no nampalazo
Ny raozin'ny foko manomboka hamelana
Ka zary penina mazoto tsy irahina
Hanoratra hameno ny diarin'ny foko

Nalaiko ny tenin'ny FANANTENANA
Handrehatra jiro hanazava ny diako
Hamaky ny onjan'ny alina maizina
Dia lalana an-drano tsy tazan'ny volana.
--------
Rohy:
796 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 11/06/2019 09:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106