FIFONANA - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Malala a!
Malahelo aho, manjombona ny tavako
Tsy noho ianao anefa fa... noho reo teny zay voalazako
Tsy voahevitro mihitsy ny mety ho voka-dratsy amin'ny fitiavako
Mitsikia anefa fa... hobedesiko ny vavako
Tsy hanao teny zay mandratra ho anao malalako
Satria
Tsy tiako hifarana eo ny fiananao mba ho tantarako, ka
Mifona aho satria, tsy nijery anao nande teo anoloako
Fa olon-kafa no resahako, olon-kafa no niarahako fa ianao toa tsy nahoako
Mifona ry malala
Izaho moa ve nahalala fa...
Nampalahelo anao iny fihetsiko iny
Matokia anefa fa izay vitako fahiny
Dia honerako avo maro amin'izao fotoana izao
Hanamporofoiko fa mbola tiako ianao
Malala a!
Malahelo aho, manjombona ny tavako
Malala a!
Malahelo aho, voafatotra ny vavako
Ataoko ahoana indray no hilaza amin'ny hafa
Ireo fitoriam-pitia nataoko taminao, raha toa ianao ka lasa
Na ianao namafa
Ilay salovantavako
Efa vita hosodoko, tamin'fonao bangabanga
Eny ekeko aloha, fa diso za angamba
Nefa sahiko ny milaza, izao anio izao fa mbola tiako ianao..
II KOR 2 :2
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 01/09/2019
Mpamangy : 443
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO