KRISTIANINA FITARATRA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kristianina mitia
Tsy mampiady fa mampiavana
Tsy miatsara ivelatsihy
Fa izany no fitiavana

Kristianina mitia
Sahy mijoro ho sakaiza
Tsy handatsa sanatria
Fa manampy n'aiza n'aiza

Kristianina mitia
Tsy mitsahatra manampy
An'ireo zay very dia
Ary koa zay mila vonjy

Kristianina mitia
Tsy mampalahelo ny sakaizany
Fa manampy mba hananany
Izay ho solika fitaizany

Kristianina fitaratra
Manaraka an'i Kristy
Ka ny tena atao filamatra
Tsy mitsahatra mitia

Jereo Izy tena tia
Dia nanolotra ny ainy
Mba hamonjy antsika etÿ
Ho Voninahitry ny Rainy

IZAY TENA SAKAIZA TOKOA DIA TIA AMIN'NY ANDRO REHETRA SADY MISEHO HO RAHALAHY HAMONJY AMIN'NY FAHORIANA

OHAB 17 :17
--------
Rohy:
1054 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014