Leo - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Kivy ny fanahiko, reraka ny foko
Nanjoy anao hatrany sy niezaka nitia
Ankehitriny kosa hofafako sy ho soloiko
Ny momba anao rehetra aty amiko satria:
Tsy noheverinao akory ny anton'ny fisiako
Fa ankehitriny kosa dia efa voasafidy fa...
Efa sitrana ny feriko
Ny tsaranao tsy mamiko ary ny maminao tsy teliko
Asa, fotoana angamba izao hanapahako ny tady
Tsy ianao no izy ka any ankafa aho no hitady
Saingy izao anefa: aza manadino
Fa efa tia anao aho fa ianao no tsy nino
Kanefa izao tsarovy:
,,Un jour viendra,tu me trouveras mais dans ce moment-là, je t'eliminera"
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 03/09/2019
Mpamangy : 321
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO